Boboka Aho ry Tanindrazako

Tononkalo nosoratan'i Rado

1- Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo
'Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
'Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.


2- Aiza ve k'izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao 'reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon'ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin'horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao 'reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob'irony marina


3- Ireny rehetrarehetra ireny
Lasana any tsy miteny
Ary izaho irery sisa
Tamin'ireo an-tapitrisa
No milanja ity tolona
Izay mivaona sy mivaona.
Eny, izaho, izaho irery
No mifofotra amin-kery
Sady tsy tafandry mandry
Mampijoro izato andry.
Nefa ity rindrina ity
Efa tazako mihitsy
Fa mirona, tsy mahitsy,
K'afaka fotoana vitsy
Dia hidaboka, hikoa
Raha ts'indray vonjena koa
Ny zanatohatra efa tapaka
Tony rihana efa rapaka,
Ny tafo izay nataon'Ikaky
'Ndreo miantomboka ho vaky
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy nampalesina
Indreo fa lanin'harafesina ...


4- Te-ho folo izo ny tanako
Hanamboatra anao fananako
Nefa, dia tsy amboa tsy lambo.
Ka raha avy izay atambo
Haninona aho no ho faty irery
Hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
No hiari-doza be mitraho :
Hianjeran'ity vovonana
Sy ho voafingana an-tokonana ?


5- O, mihidy izao ny vazako
K'eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao


6- Loza izato fahasahiako
Adray iky ity habibiako
Nasiaka izato fitenenako
O, ifonako, anenenako.


7- F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
No hiaraka aminao
Hizaka izao rehetra izao ?
O, hianao irery sisa
No hany mba hamisavisa
Eny, hianao, hianao irery
No hizaka ireto fery
Sy ny kaikitry ny fositra
Raha lasana aho mandositra.
Fa ny andro takariva
Amin'izay ho tena ziva
Ny maraina dai ho haolo
Ny tanàna dia ho ntaolo
Ka ny vahiny izay mandady
No hanatsatoka kiady
Ity tanànako fahiny
Noheveriko ho afaka iny.


8- Tsia, fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
Sy fandondonao ho rava
Hiorina eto lalandava
Ny fisiako manontolo
Na ho lo hianao na bobongolo.


9- K'avela hitsoaka izay hitsoaka
Avela hipoaka izay hipoaka
Avela hivadika ny rasa
Avela ho lasa izay ho lasa
Fa matokia hianao ry taniko
Ry sampy tiako sy andrianiko,
Ny ahy, jereo io tanako io
F'homeko hery indray anio
Hanohana ny vatan-trano
Na dia hahitako angano.
Ka raha alina ny andro,
F'efa dila ny masoandro
Ny voloko eo ho lahin-jiro
Ary ny aiko amikiro
Mandra-piavin'ny maraina
Efa tsinjoko ao an-tsaina


10- Ary ny hamboko rehetra
Sy ny dinitro no fetra
Hanamboarako 'zay tritra ...
Rah'tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
Fa atosako homeko
Ho anao, ry Fireneko ...
Ka na dia tokana ny tenako,
Na voafetra ny harenako;
Izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty hianao".
Fara-faharatsiny aza
Aza atao hoe hevi-jaza
"Miara-maty eto isika
Miara-rava sy mivika".
Fa tsy tohan'ny fisainako
Sy tsy zakan'ny fianako
Izany hianao "ho rava irery"
Tsy mba misy mpampahery.


RADO

No comments:

Post a Comment