29 MARS

Ro Andriamaneva

Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara
Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara.
Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento,
Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto,
Nanitsakitsaka ny zo naha olona ny olona
Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona.
Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany,
Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany.

Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany.
Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany
Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any,
Fantany izay ho vokany, fa ny ra mamonto tany
Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly
Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly
Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona
Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona.

Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina
Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina
Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao
Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao ...
Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po
Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha,
Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora
'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora

28 Marsa 1973

Vonona ny Malagasy

Valin-kira ho an'i Dr Radaody Ralarosy P. (4 sept 1958)

Vonona ny Malagasy
Hanandratra ny tanindrazany
Ary tsy hilasilasy
Hanatratra izay voalazany.
Vonona ny Malagasy
Fa fitiavana sahazany.

Vonona ny Malagasy
Hamelo-maso 'reo nikoro,
Tsy hamela hangasihasy,
'Zay voamarina nijoro.
Vonona ny Malagasy
Handrafitra "reo torotoro

Vonona ny Malagasy
Hanavotra izay efa nisy
Ireo nolazaina ho kasy
Ka nirodana indrisy ...
Vonona ny Malagasy,
Ny fanetri-be dia tsisy.

Vonona ny Malagasy
Ka ny hajany no hakarina,
Gasikarany no lasy,
Ary azy, azy marina :
Vonona ny Malagasy,
Ny fanjakany no hitarina.

Vonona ny Malagasy
Ny hitana izany lova ;
Eny na dia efa tasy,
Hamboarina tsy hiova
Vonona ny Malagasy
Hanarina izatsy Rova !

Boboka Aho ry Tanindrazako

Tononkalo nosoratan'i Rado

1- Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo
'Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
'Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.


2- Aiza ve k'izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao 'reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon'ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin'horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao 'reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob'irony marina


3- Ireny rehetrarehetra ireny
Lasana any tsy miteny
Ary izaho irery sisa
Tamin'ireo an-tapitrisa
No milanja ity tolona
Izay mivaona sy mivaona.
Eny, izaho, izaho irery
No mifofotra amin-kery
Sady tsy tafandry mandry
Mampijoro izato andry.
Nefa ity rindrina ity
Efa tazako mihitsy
Fa mirona, tsy mahitsy,
K'afaka fotoana vitsy
Dia hidaboka, hikoa
Raha ts'indray vonjena koa
Ny zanatohatra efa tapaka
Tony rihana efa rapaka,
Ny tafo izay nataon'Ikaky
'Ndreo miantomboka ho vaky
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy nampalesina
Indreo fa lanin'harafesina ...


4- Te-ho folo izo ny tanako
Hanamboatra anao fananako
Nefa, dia tsy amboa tsy lambo.
Ka raha avy izay atambo
Haninona aho no ho faty irery
Hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
No hiari-doza be mitraho :
Hianjeran'ity vovonana
Sy ho voafingana an-tokonana ?


5- O, mihidy izao ny vazako
K'eo hianao ry taninndrazako
Avela hianao ho potipotika
Avela hianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao


6- Loza izato fahasahiako
Adray iky ity habibiako
Nasiaka izato fitenenako
O, ifonako, anenenako.


7- F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
No hiaraka aminao
Hizaka izao rehetra izao ?
O, hianao irery sisa
No hany mba hamisavisa
Eny, hianao, hianao irery
No hizaka ireto fery
Sy ny kaikitry ny fositra
Raha lasana aho mandositra.
Fa ny andro takariva
Amin'izay ho tena ziva
Ny maraina dai ho haolo
Ny tanàna dia ho ntaolo
Ka ny vahiny izay mandady
No hanatsatoka kiady
Ity tanànako fahiny
Noheveriko ho afaka iny.


8- Tsia, fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
Sy fandondonao ho rava
Hiorina eto lalandava
Ny fisiako manontolo
Na ho lo hianao na bobongolo.


9- K'avela hitsoaka izay hitsoaka
Avela hipoaka izay hipoaka
Avela hivadika ny rasa
Avela ho lasa izay ho lasa
Fa matokia hianao ry taniko
Ry sampy tiako sy andrianiko,
Ny ahy, jereo io tanako io
F'homeko hery indray anio
Hanohana ny vatan-trano
Na dia hahitako angano.
Ka raha alina ny andro,
F'efa dila ny masoandro
Ny voloko eo ho lahin-jiro
Ary ny aiko amikiro
Mandra-piavin'ny maraina
Efa tsinjoko ao an-tsaina


10- Ary ny hamboko rehetra
Sy ny dinitro no fetra
Hanamboarako 'zay tritra ...
Rah'tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
Fa atosako homeko
Ho anao, ry Fireneko ...
Ka na dia tokana ny tenako,
Na voafetra ny harenako;
Izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty hianao".
Fara-faharatsiny aza
Aza atao hoe hevi-jaza
"Miara-maty eto isika
Miara-rava sy mivika".
Fa tsy tohan'ny fisainako
Sy tsy zakan'ny fianako
Izany hianao "ho rava irery"
Tsy mba misy mpampahery.


RADO

Valin'ny Tononkalon'ny Rado

[ Boboka aho ry tanindrazako ]

"Tsy irery ianao ry Rado"

Tsy irery ianao ry Rado
Fa na lasana aza ianao
Izahay anohy fa tsy hiato
Hanarina izao misy izao

Fa antsika gasikara
Ka samy itondra irony anjara
Entina hanatsara
Ity tanindrazana malala

Fa manontany teny ihany aho
Hoe mbola misy ve ny toa anao
Vonona anome ny ainy
Ka ny fanambazana tsy ilainy

Mbola ao ve ireo tsy voavidy vola
Vonon-kiady fa tsy tola
Efa tafarina ve ireo reraky ny tolona
Hitarik'indray ny fiaraha-monina

Fa raha tanteraka izany
Ho lasa ny tomany
Hijoro indray isika
Ka mety ho vahoaka tsy hita isa

Koa mandriam-piadanana Rado
Fa mino aho fa any andro
Hijoro ireo sasa-miandry
Ary hamokona ny sandry


Tovonony 2009